Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
- Sommet de la SADC : Rajoelina a visité les chantiers d’Ivato - Boloky
S"excite particulièrement en ce moment.
Sûrement sous la pression (…)
bekily - Sommet de la SADC : Rajoelina a visité les chantiers d’Ivato - CHARISME du DJ BAC-3 prostitué aux Français et mis en orbite par eux par (…)
bekily - Sommet de la SADC : Rajoelina a visité les chantiers d’Ivato - Boloky
198 cabines pour trois sites
( EN PRIORITE POUR LES COPAINS FOZAS (…)
bekily - Sommet de la SADC : Rajoelina a visité les chantiers d’Ivato - Tsy amaly eo Inandra e ! Rahampitso indray izy vo miverina raha tsy oe 5 (…)
Zora - Sommet de la SADC : Rajoelina a visité les chantiers d’Ivato - Ndray ndray ndray
Hoatra olona nandositra avy eny Anjanamasina ity (…)
bekily
{#URL_PAGE{archives}}
Ny tena marina dia Tsy manana FOTOTRA i Madagasikara
Very tanteraka ny MAHA IZY AZY , satria :
Ny Mpitondra efa tsy gasy intsony ka tsisy irarahiany izay maha Malagasy ka ny Kolontsaina vahiny rehetra dia ampidirina malalaka eto avokoa satria matim-bola dia tsy miaraharaha izay ho fiantraikany any aoriana any akory. Ny antsika tsy rarahiana fa ny an’ny hafa asandratra. Ary ny tanjon’izy ireo dia hanaparitaka izany eto Madagasikara. Hamafa tanteraka ny maha gasy antsika.
Eo lafiny ara-toekarena dia nopotehina isika ary miantehitra amin’ny vahiny sy ny mpamatsy vola avy any ivelany.
Eo lafiny ara-tsosialy dia mitrongo vahaolana isika. Eo lafiny fandriampahalemana dia efa manakaiky ny fanjakan’ny Baroa isika.
Madagasikara dia tany mamokatra sy tena midadasika nefa na eo aminy resaka fambolena aza isika dia mbola manafatra vary avy any ivelany.
Ny vahiny indray no mbola tonga mamboly eto amintsika mitondra fitaovana harifomba.
Ny eo amin’ny resaka Harena voajanahary moa dia tsisy misikatra izany ny Malagasy, fa na aondran’ny mpitondra an-tsokosoko na trandrahan’ny vahiny. Tompony mangatak’atiny isika ary ataon’izy ireo amin’izay hitiavana azy.
Eo lafiny ara-kolontsaina dia efa nopotehina isika ary ankehitriny ampidirin’ny mpitondra malalaka eto daholo ny kolontsaina vahiny rehetra Sinoa, Japonais, Coréen...sns
Tsy misy hianteherana ireto mpitondra ankehitriny ireto izay efa mipetraka ho fahavalon’ny vahoaka mihitsy ary miady mafy hametrahana izany rafitra Fanjanahana moderina izany. Ny vahiny no tiana atao
tompon-tany eto.
Tsy maintsy mandroso hono i Madagasikara !
Handroso amin’ny inona ny firenena iray tsy manana fototra, tsy mari-toerana ary tsy mijoro tsara ary mbola menatra ary enjehin’ireo mpiondana Kolotsaina vahiny.
Ary ny farany fa tsy ny kely indrindra :
Ny marina dia tsy misy firenena hamonjy an’ Madagasikara izany , tsy maintsy ny tombontsoany sy vahoakany fona no laharam-pahamena, aza manonofy.
Tsy i Rainilaingarivony CEDRIC RAJOELINA sy ny forongony no hitondra ny fanovana ilaina mankany amin’ny FAMPANDROSOANA ilain"ny vahaoka tsy vaky volo.