Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
- Sommet de la SADC : Rajoelina a visité les chantiers d’Ivato - Tsy miseho mahay a akory, fa rehefa oe chaque pays préside selon un ordre (…)
Zora - Sommet de la SADC : Rajoelina a visité les chantiers d’Ivato - FAMEUX !!!
Ces Africains n’arrêtent pas de se féliciter
– « ASINUS (…)
bekily - Sommet de la SADC : Rajoelina a visité les chantiers d’Ivato - Béquille,
Vous répondez aux posts avec votre impulsion à la rafozandoza, (…)
Isandra - Sommet de la SADC : Rajoelina a visité les chantiers d’Ivato - "Les produits phares de Madagascar — chocolat, caviar, rhum, épices — seront (…)
Isandra - Sommet de la SADC : Rajoelina a visité les chantiers d’Ivato - Zora,
Aza miseho diso mahay loatra. Ka diso izany io ao anaty compte rendu (…)
Isandra
{#URL_PAGE{archives}}
Adinon’ny maro ny fitenin’ny Pisodia fahiny manao hoe : « Asa fa tsy kabary ».
Resaka an-jorony :
Natao omaly teto Antananarivo ny famindram-pahefan’ny filohan’ny « Amicale des Anciens Enfants de Troupe » Madagasikara.
Ho hitan’i Madagasikara amin’izay izany hoe « olona mitondra » amin’ny ohatra omen’ny birao vaovaon’io fikambanana io.
Bandy kely AET mpandraharaha izay no lany filoha amin’izao fotoana.
Hanana ny fiantraikany amin’ny fitantanana ny Sekoly io fikambanana io.
Efa mifandray (en vue des opérations de jumélage) amin’ireo Sekoly miaramila EMP (Ecole militaire Préparatoire) sy EMPT (Ecole Préparatoire Militaire Technique) eran-tany ny fikambanana (La Flèche, Autin, Saint-Cyr L’Ecole, Aix-en-Provence, Blois, Cotonou, Dakar, Abidjan, Brazaville) ary hanolotra làlam-pifehezana vaovao ho an’ny Sekoly hifandraika amin’izany.
Hezaka ihany koa ny hifandraisana amin’ireo sekolin’ny « Cadets » amin’ny firenena tsy miteny frantsay eran-tany.
Resaka kolikoly no aroson’ity lahatsoratra ity : koa na ny ho fifaninanana hidirana ao amin’ity Sekoly ity aza dia hezahin’io fikambanana io mba ho tsy ny fanjakana intsony no mikarakara izany fa komity iray tsy miankina ao anatin’ny fikambanana ary miova isan-taona.
Manampahaizana ambony eran-tany maintimolalin’io Sekoly io no hiandraikitra izany fidirana (ny taranja, ny fitsarana ny fanadinana, ny fanadinana am-bava) sy fanaraha-maso ny fampianarana ao amin’ny Sekoly (Taranja jeneraly, Teknika, kilasy fanomanana - PREPA).
Tetik’asa ihany koa ny hanokafan’ny fikambanana Sekoly hafa isaky ny Faritany ary mitovy lenta fa tsy misy ny zanak’ikalahafa : maintimolalin’ny Sekoly no hampianatra amin’ireny.
Tsy ho voatery hiditra any amin’ny AKMIL ny mpianatra mivoaka ao fa afaka miditra amin’ireo Sekoly ambony eto Madagasikara na any ampita rehetra tsy ankanavaka (dokoteram-pahasalamana, injeniera, agronome, gestionnaire, sosiolojia, siantifika isan-karazany, veterinera, construction navale, marine marchande, BTP trano sy làlana sns sns ...).
Ho hita sy irina ireo kinasam-piovana rehetra ireo ary anehoana fa afaka mivaotra sy miaina tsy misy kolikoly ny malagasy tsy vaky volo.
Enga ka tsy ho fialonan’ny fitondrana ankehitrio ...