Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
Isantaona izao, indreo fa mitondra tena toa androrosy, mangataka lava, mitoreo, mimenomenona sy mimonomonona...
Mihetraketraka ny natiora, misononoka ny herin’ny tontolo, mibosesika ny lahatra sy ny anjara..
Fa eo ihany koa ny faingan-tanana sy ny be angoantenda, ny mpanao taingampaosy, ny mpanao mena mahazo manao fanova-maso...
Rava ny trano falafa sy trano hazo, very tafo ny fotodrafitrasa tsy natao haharitra, mandroso tsy nasaina ny rano tonga ambany farafara...
Fa inona moa no atao hoe fanajariana ny lafintany na ny antsoina hoe "aménagement du territoire" ?
Fa aiza ny fanorenana mahatohitra ny toetrandro, fa maninona no tsy misy ny fandaminana ny fiorenan’ny toerana fonenana ?
Tsy rafitra maharitra sy rindrandamina mitety ny taona mifanesy no mijoro, antoko politika sy sendika no atao mijoro ho zavamisy mameno ny tanàna, fahazotoana mangataka sy fahakingana mitaraina no heverina ho paikady mahomby...
Izay mba maharitra hodimbiasan’ny taranaka tsy misy, fa ny trosabe miavosa no lasa misavovona tsy ankiato...
Eo foana ilay aretina koloina sy fanahy mirefarefa : indrisy ry fihatsarambelatsihy !
Ry valabemandry be marenina sarotra tenenina, mora sodoka amin’ny angoantenda sy ny fihetsika mahajambena, revo anaty fifanilihina sy fifankahalana, sondriana amin’ny kabary sy fitombenana mihovitra, mba miarena mifohaza amin’izay kosa fa aza mihanoka amin’ity fahazarana mandoka sy mihoby ary mitoraka voninahitra sy laza ho an’ny mpanjaka repobilikanina ity e !