Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 12 mars 2026
Antananarivo | 22h08
 

Répondre à un commentaire

12 mars à 11:57 | Yet another Rabe (#4812)

Miharahaba ny rehetra,

Ny firenena izay tsy mamorona, tsy mieritreritra ary tsy mahalala ny maha-izy azy dia lasa tsy hita maso. Ary ny firenena tsy hita maso dia lasa toerana iasan’ny tombontsoan’ny hafa. Raha jerena amin’ny marina anefa dia tsy hoe tsy mahay ny Malagasy. Ny olana dia hafa: tsy nampianarina hieritreritra lalina, tsy namporisihina hamorona, ary tsy namporisihina hanana fahasahiana. Nianatra mba hamerina lesona. Miasa mba hanatanteraka baiko. Manaraka fitsipika fa tsy mieritreritra. Miaina nefa tsy mahalala hoe nahoana. Lasa toy ny milina. Maro no zatra nampianarina hanaraka fotsiny fa tsy hitarika. Zatra miandry fa tsy mamolavola. Manatanteraka baiko fa tsy mamorona lalana. Firenena toy izany dia mora ampiasain’ny hafa. Fa ny firenena mahafantatra ny maha-izy azy, mamorona ary sahy mieritreritra ihany no tena lasa ilaina amin’ny izao taon-jato faha-21 izao.

Noho izany dia misy fanontaniana lehibe tsy maintsy apetraka amin’ny tenantsika :

Vonona ve isika hiaro ny firaisankin’ny Malagasy sy ny fahamendrehan’ny Fanjakana? Sa avelantsika hozarazaraina sy hohazonin’ny rafitra mpiremby mandrakizay i Madagasikara? Ny hoavin’ny firenena dia miankina amin’ny valin’io fanontaniana io. Tsy ny foko no hamonjy an’i Madagasikara, fa ny firaisan’ny Malagasy, izay iray tsy mivaky. singan-tsoratra notsongaina t@ https://lgdi-madagascar.com/2026/03/11/gazetinny-nosy/ny-maha-firenena-ny-firenena-dia-ny-olombelona-miaina-ao-anatiny/

Mankasitraka

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}