Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 28 mars 2026
Antananarivo | 01h25
 

Répondre à un commentaire

27 mars à 11:52 | Vohitra (#7654)

Kolikoly (corruption) et tsolotra (concussion), ireo no isany tena zava-doza sy fositra mitondra ny fahantrana manjo ny vahoakan’i Zanahary ankehitriny.

Mahantra, fadiranovana sy mosarena ny maro noho ìreo antambo sy foto-pisainana manimba lazaina ireo.

Fa inona tokoa moa no tena antony lehibe (cause majeure) misarika ny mpiasam-panjakana sy ny mpanao politika mirona any amin’ny kolikoly sy ny fanaovana tsolotra ?

Ny fitsiriritana (convoitise) sy ny fialonana (jalousie), ary ny tarazo vokatry ny fitaizana nositrahana (éducation défaillante, héritage familial de mentalité de voyou).

Ireo antony lehibe ireo no mitondra mankany amin’ny fanaovana kolikoly sy ny tsolotra.

Ny vokany dia, lasa mpanankarena tampoka sy mpanao tsindrio fa lavo, ary manambany vahoaka sy mirehareha manandratra ny tenany.

Dia inona no mitranga ?

Rehefa voatondro sy voakiana fa lasa mpambotry Firenena sy mpampahory vahoaka, dia lasa amin’izay miaro tena milalao ny resaka ara-poko sy mandrangaranga adimpoko.

Nahazo fahefana dia mangalatra sy manodina volam-bahoaka sy manondrana harempirenena, dia raha vao tondroina sy tsikeraina, dia milaza fa "mba anjaran’ny Foko misy azy indray izao no manao izay mahasoa azy."

Jereo sy diniho akaiky, izany no misy ankehitriny !

Mitsiriritra sy maniry ny ho lasa Rajoelina sy Ntsay ary Ravatomanga vao mizaka fahefana, fa TSY ny hanao ny marina sy ny hamongotra ny ratsy !

Dia rehefa tondroina dia ny fankahalana sy fanenjehana ny Merina sy Antananarivo no atao resaka fa TSY ny hampijoro fahamarinana velively.

Manao resaka mirefarefa amin’ny tany mampisara-bazana ny samy vahoakan’i Zanahary no atao satria jambena sy revo amin’ny fitiavana harena maloto.

Dia TSY manaiky sy TSY mety mampahafantatra ny harenany sy ny fari-pananany satria ho fantatry ny vahoakan’i Zanahary ny halatra sy volam-bahoaka nokepohana natao remby.

Dia io mandainga sy milalao resaka ara-poko io sisa no atao eto...

Mila fongarina sy fongorina ary henjehana ireo tsy maty manota rehetra ireo, na Merina izy na tantsiraka na avy amin’ny Foko hafa, izay vandana dia kary.

Diso ve ny vahoakan’i Zanahary raha mangataka ny fanamelohana azy ireo ho faty na higadra mandra-pahafaty ?

Raha 500 na 1.000 ve no hohelohana sy hogejaina mba hanavotana ny 33 tapitrisa vahoakan’i Zanahary dia ho olana ?

Farany, mitodika aminareo mpitondra fiangonana manokana, fantatrareo tsara ny "ondry mania" (brebis galeuses) ao anatin’ny vala ao, fa maninona no TSY vitanareo ny mampibebaka azy ireo ? Fa maninona no mbola avelanareo hamono olona sy hangalatra ihany ireo ondry adala ireo ?

Tadidio fa ny manao ratsy sy miaro ary manafina ny mpanao ratsy dia mbola tsy valahara tsy vanona ihany koa !

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}