Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 29 mars 2026
Antananarivo | 01h09
 

Répondre à un commentaire

28 mars à 11:30 | Vohitra (#7654)

Loza, atambo, fahavoazana...

Matoa tonga amin’ny fahalovana toy izao ny Firenena, dia nisy ny tsy fandraisana andraikitra.

1- ny fitsarana sy ny rafi-pitsarana.

Ireo no voalohany fositra sy tena namokatra ny tsy maty manota teto Madagasikara. Nivoy, nikolokolo, nampihanaka, nandrongatra, nampiroborobo ny kolikoly sy ny tsolotra, niray petsapetsa sy niaraka nisalahy tamin’ny mpanao politika tsy valahara, nitazana fotsiny ny fizoran’ilay tranobe Madagasikara ho any amin’ny fahapotehana lalimpaka sy disadisa politika. Ankehitriny, io iarahana mahita io ny tranga mamoafady, manomboka sahady any amin’ny fifaninanana hidirana ho mpianatra mpitsara, any dia efa manjaka ny kolikoly...

2- isika vahoakan’i Zanahary mponina sy ny fiarahamonina.

Tsy vitsy amintsika no vesaran’ny toetsaina sy rafi-pandinihina ary lalantsaina vesaran’ny fahazarana mihoby, mandoka sy manindraindra ny mpanao politika, mandrobo sy manohana anjambany, ary mihevitra fa ny mpitondra dia tompon’ny fahefana ary tsy natao horefesina mandidy.

Samy mahita ireo tsy maty manota mifamoivoy, mirehareha sy mieboebo, samy manaiky fa nanao jirika sy remby ny volam-bahoaka ary ny harena iombonana ireo tsy maty manota nefa dia samy nangina nitazam-potsiny, mety noho ny tahotra sy hakanosana ihany koa...

Tahotra an’iza sy nahoana moa ?

Lasa fitaovana ho famoretana sy fampihorohoroana ireo mpitandro filaminana satria na ny fitsarana aza efa tsy nandray andraikitra, ary efa lasa "zohy" fihazana remby sy fialofana ho an’ny tsy vanona ny asampanjakana.

Inona no vokany ara-piarahamonina sy ny sehatra ara-pihariana ?

Lasa noheverina ho mpanjaka toavina anaty rafitra repobilikanina ny mpanao politika mihazona fahefana...very anjorombala ny fahamarinana...very ny Hasina eo amin’ny asampanjakana...fanahin-jiolahy no ifampitondrana ao anaty fiarahamonina...kolontsaina vetaveta mpiremby sy mpivarotra fanahy no nifanolorana...izay mirehareha sy mieboebo mahay miala voly no natao fitaratra ho filamatra...lainga sy fihatsarambelatsihy no namonto sy nikolo ny fifandraisana maha olona...feno sy rakotra mpino miandrandra fahagagana sy mikatsaka famonjena maika ny tontolo ara-panahy...mihanaka ny fitondrantena mivarina ho lavo ary tsy hanavahana sokajintaona...

Ao anivon’izany fahalovana sy fahatrotrahana rehetra izany, misononoka sy misosoka ary misovoka ny fifankahalana sy ny fifampialonana, miseho lany miandalana ny fifanomezana tsiny, mivoatra sy miseho lany ny farasisa mangeroka navelan’ny mpanjanatany sy mpanjanaka ara-panahy sy ara-tsaina : kopahina hirehitra indray ny afon’ny fifandirana ara-poko !

Fa nahoana no tsy misy ny fiarahana mientana hamongotra hatrany amin’ny fakany ny fototry ny olana sy ny aretimbe manjo ny fiarahamonina e ?

Tokana ihany no vahaolana sy lalankizorana sahaza sy ho fiavotana ho an’ny vahoakan’i Zanahary : ady mangotraka atao amin’ny tsy maty manota !

Andao ho fongorina sy ho fongarina ary hogejaina ireo tsy maty manota ireo, andao hoesorina ao anaty fiarahamonina ireo tsy valahara, andao ho verezinjo ny olona tsy vanona...

Aoka izay ny fihatsarambelatsihy, aoka izay ny fihavanan-jiolahy saronana fampihavanana sandoka, aoka izay ny fahanginana anaty fiononana manoloana ny fahavoazana !

Sahia mijoro sy miteny !

Ady no atao amin’ny tsy maty manota fa tsy famitranana fihavanana velively.

Ndao ary e !

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.