Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
Fivadihana amin’ny fitokisana, famatsiana lainga ny tontolon’ny politika sy fiarahamonina, fiarovana tombontsoa manokana...ireo antony telo manandanja ireo no loza sy atambo entin’ny fitondrana fanovozana ankehitriny...
Fivadihana amin’ny fitokisana : tsy mpihazona ny teny nomena fa dia mivadibadika isanandro ny fotokevitra arovany...
Famatsiana lainga ny tontolo : manodin-dresaka mba tsy hifotoran’ny vahoakan’i Zanahary amin’ny tetika sy paika entina hifehezana sy hihazonana ny fahefana mandritry ny fotoana maharitra...
Fiarovana tombontsoa manokana : miray tsikombakomba amin’ny voaibe efa nandroba sy miremby ary manao ampihimamba ny toekarena Malagasy tao anatin’ny taompolo maro mba hahazoana vola hoentina mividy olona amin’ny fifidianana manaraka.
Noho ireo antony ireo dia atao sorona ny tanora, fonjaina, hanaovana herisetra, hampihorohoroina ny vahoakan’i Zanahary amin’ny fahefan’olontokana sy ny fahefam-panjakana.
Tsy ny fanovana sy fanorenana ifotony vaovao no atao fa ny fitadiavana VOLA hamatsiana ny famitahana safidim-bahoaka.
Fehiny : nahoana no tsy sahy ny fanovozana manao fanambarana ho fantatry ny vahoakan’i Zanahary ny fari-pananany ?
Nahoana no lasa milalao ny resaka ara-poko ny fitondrana fanovozana ?
Nahoana no tsy miroso malaky ny fitsarana ny fanodikodinambola nataon’i fitondrana Rajoelina ?
Nahoana no arovany mafy ny fanadiadiana mikasika an’i Ntsay Christian ?