Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
Miara antsika rehetra mpanjohy ny lahatsoratra eto amin’ny gazety anabaka Madagascar Tribune,
Anio Alahady 28 jona 2026 no nosafidiako hamosahana ny tolokevitra hotohanako raha toa sitrapon’i Zanahary ka ho tanteraka soa amantsara ihany ny fikaonan-dohampirenena nokinasa.
Fenomanana ny fibaliaky ny volana eto Madagasikara tany efa foin’i Zanahary ho an’ny Malagasy ankehitriny, ka arosoko ny famosahankevitro. Tolokevitra efa narosoko teto amin Madagascar Tribune tamin’ny taona 2016, ary azo jerena tsara eto izany tamin’ny taona 2016 izany, koa ezahako ho fintinina anio.
Repobilika Federaly mifototra amin’ny Faritra mizaka tena no rafitra arosoko.
Foanana tsy hisy intsony ny Distrika sy ny Faritany.
Ny vondrombahoaka hitsinjarampahefana dia ambaratonga telo :
* Fokonolona
* Kaominina
* Faritra
Ireto avy no fifidianana mivantana handraisan’ny vahoaka anjara :
* Lehiben’ny Fokonolona sy Filankevitry ny Fokonolona.
* Ben’ny Tanana sy ny Filankevitry ny Tanana.
* Lehiben’ny Faritra sy ny Filankevitry ny Faritra.
Ny Filohan’ny Repobilika dia tsy fidiana mivantana intsony, ary ny Filankevitry ny Faritra manerana ny Nosy no mpifidy azy.
Tsy manana andraikitra afatsy ny fiarovana ny firaisampirenena ny Filohan’ny Repobilika, ary tsy manana andraikitra ara-politika sy ara-toekarena intsony izy, fa kosa misahana andraikitra ara-kolontsaina amin’ny fiarovana ny firaisampirenena.
Ny Antenimierampirenena dia manana efitra roa :
* Efitra voalohany : solombavambahoaka mpanao lalàna.
* Efitra faharoa : solombavambahoaka mpanaramaso ny asan’ny goverinemanta sy ny asampanjakana, ary mpanaramaso ny Banky Foibe.
Tsy afaka mifampitsabaka andraikitra ireo efitra roa ireo.
Ny solombavambahoaka dia ny Filankevitry ny Faritra no mpifidy azy, ary azon’ny Filankevitry ny Faritra soloina amin’ny fotoana rehetra rehefa tsy mahafapo azy.
Ny Lehiben’ny goverinemanta no Lehiben’ny fitondrana manampahefana, ary izay antoko politika maroanisa eo anivon’ny Antenimierampirenena no manendry azy. Izy no mitarika ny Filankevitry ny minisitra.
Ny goverinemanta dia misy ireto minisitra vitsy ireto :
* Raharahambahiny
* Fitsarana
* Angovo sy akoranafo
* Vola
* Tetibola sy fitsinjarambola isamparitra
* Fifandraisana amin’ny Antenimierampirenena.
Ny rafitra mpanatanteraka hafa rehetra dia any anivon’ny Faritra tsirairay no misy azy.
Foanana ny HCC ka ny Fitsarana Tampony no misolo azy, ary tsy omena intsony ny zo tsy azo ivalozana izy.
Tsy misy intsony ny Sénat, fa ny Faritra tsirairay dia manolotra olona roa handrafitra ny antsoina hoe "Filankevimpirenena ho an’ny olonkendry". Ity Filankevimpirenena ity no manolotra ny sosonkevitra amin’izay mety ho fanovana ny lalampanorenana amin’ny ho avy.
Mitovy ny rafi-pitsarana ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka, tsy misy fitsarana manokana.
Ny teny Malagasy no hamoahana ny didimpitsarana rehetra.
Azon’ny fitsarana henjehana ara-pitsarana amin’ny fotoana rehetra ny tomponandraikitra ara-panjakana sy olomboafidy rehefa misy ny tsy fanajana ny lalàna velona.
Ny Lehiben’ny Faritra, eo ambany fanarahamaso ataon’ny Filankevitry ny Faritra, no misahana ny Lehiben’ny mpitandro filaminana.
Foanana ny Tribonaly Miaramila. Tsaraina mitovy amin’ny mpiasampanjakana sy mpiasambahoaka rehetra ny mpitandro filaminana tsy manaja ny lalàna velona.
Mankasitraka indrindra ary misaotra anao nandinika ity sosonkevitra ity.