Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 15 mai 2026
Antananarivo | 21h47
 

Répondre à un commentaire

13 mai à 09:45 | Vohitra (#7654)

Nandritry ny Repobilika faharoa, vanimpotoana nanjakan’ny revolisionina sosialista, dia fahefam-pitondrana tsy azo tohaina sy tsy azo norefesina mandidy no nisy teto Madagasikara.

Fahefam-pitondrana tsy azo nokianina, niainana ny "manjakatsiroa" ao anaty rafitra repobilikanina, nanapaka sy nandidy tamin’ny ambopo politika.

Tao anatin’io vanimpotoana io nefa dia namiratra sy niroborobo ary tena rehareha sy voninahim-pirenena Malagasy MIHINTSY izany hoe "orinasampanjakana" Air Madagascar izany !

Malagasy sy avara-pianarana Malagasy ary nisalotra ny fahaiza-manao sy niantsehatra tamin’ny hakingana ireto kalaza anankiroa izay singanina manokana eto, izay Tale Jeneraly nitondra avo ny orinasampanjakana Air Madagascar tao anatin’ny vanimpotoana sosialista :

* Rajaofetra Maurice
* Rasata Rainiketamanga René

Nahomby, nitondra vokatra natao ho rehareha, nampijoro ambopo tena Malagasy, nanandratra ny fahaiza-manao Malagasy, mampiray fo sy saina ny Malagasy, nametraka tsiahy tsy azo kosehina, nampiaina ny fitiavana ny Firenena tamin’ny fanompoana ny Tanindrazana.

Tena sarotra ho antsika rehetra ankehitriny ve no miverina sy mandinika ary misintona lesona amin’ny zavabitan’izy roalahy notanisaina ireo ?

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.