Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 16 mai 2026
Antananarivo | 13h26
 

Répondre à un commentaire

16 mai à 11:24 | Vohitra (#7654)

Miarahaba ny Malagasy tia ny Tanindrazana sy ny mpikatroka ao amin’ny Diapason,

Mahaliana sy mahafinaritra tokoa ny mandinika sy mihanoka amin’ny lahatsoratra vokarin’i Diapason, ary tena manintona sy manokatra ny vavahadintsaina mihintsy matetika.

Isaorana erampo sy erantsaina tokoa izany fizarana ataon’i Diapason izany, ary hanolorana sahady ny fialantsiny etoana raha amin’ny tenimpirenena Malagasy no hanoratana nefa ny matoan-dahatsoratra entiny amin’ny teny frantsay, ny antony manokana dia noho ny vontoatin’ny fotokevitra tiana hivoitra amin’ny lalantsaina heverina fa manandanja tiako hifampizarana.

Ny lahatsoratra ataon’ i Diapason dia misarika sy miantso fanontaniana vitsy :

1- natao hiantefa amin’iza ny lahatsoratra ?

2- ary natao ho amin’ny tombontsoa an’iza ?

Ny tsapa dia izao :

Tsy miaro ny fiandrianampirenena sy ny tena hevi-panahy fonosin’ny fahaleovantena madio mangarahara ho an’ny Firenena Malagasy ny lahatsoratra !

Ny Malagasy anie tsy miady amin’ny Firenena tandrefana na koa manohitra ny fikatsahana tombontsoa ataon’ny tandrefana, manana zo hiaro ny tombontsoa ho azy izy ireo.

Fa ny mba tadiavin’ny Malagasy dia tsotra ihany : ny fikatsahana tombontsoa ataon’ny vahiny dia tsy tokony hamotika ny Firenena Malagasy sy ny fikatsahana tombontsoa avy amin’ny harena Malagasy.

Mankasitraka ny Diapason.

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}