Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
Asaramanitra 26 jona hanomezam-boninahitra sy hankalazana ny fahaleovantena...
Alohan’ny 1896, dia nisy teo amin’ny Nosy Madagasikara ny Firenena maromaro, toy ny Firenena Sakalava, Antanosy, Bara, Merina... Fire maromaro teo amin’ny tanibe notoloran’i Zanahary...
Taorian’ny 1896 indray kosa, nisy ny fanjanahantany sy fanjanahantsaina nentin’ny mpanjanaka, noravaina ireo Firenena maromaro nijoro, ary napetraka ny fahefam-pitondrana tokana sy ny fanapahana manome vahana ny fanjanahana, ary tsy nanorina sy tsy namory Firenena akory ny mpanjanaka...
Rehefa tojo ny 26 jona dia notoloran’i Frantsa ny fahaleovantena, niroso ny fisitrahana ny tany repobilikanina, noraisina ny ampahan’ny fahefam-pitondrana, napetraka ireo marika manondro ny fiandrianampirenena... Ary natomboka indray ny fanorenana ny Firenena tokana...
66 taona ato afara, miaina sy sitrahana ny Repobilika, mbola andalam-panorenana sy fametrahana fototra ny tena Firenena tokana, ny fahefam-pitondrana dia manapaka, ny fahefam-pitantanana dia mivangongo, ny fandrosoana sy fivoarana dia mitanila, ary ny fahantrana dia tena mihanaka, ny firaisampirenena dia mbola marefo...
Nitondra ny Malagasy ho aiza ankehitriny ilay fahaleovantena notolorana ?
Nahoana no ao anatin’ny 66 taona dia mbola mijanona hatrany ho marefo ny firaisampirenena ?
Nahoana no mbola tsy tontosa ny fametrahana ny fototra maharitra hijoroan’ny maha tokana sy mampiray ny Firenena ka tena miantoka tanteraka ny firaisampirenena anaty Firaisankina hanandratana fiandrianampirenena mangarahara.?
Rahoviana no ho tanteraka ny tena fisitrahana feno ny fenitra repobilikanina sy ny fahefam-bahoaka manjaka ary ny Malagasy mahatsiaro tena tompon-draharaha ?
Fanontaniana sesilany no mivoitra ankehitriny satria...
Marefo ny Firenena, fadiranovana ny Malagasy maro, voaviravira sy voatevateva matetika ny fiandrianampirenena...
Manjaka tanteraka ao anaty Repobilika ny fihatsarambelatsihy sy ny tsy maty manota, osa ny Firenena, voahosy matetika ny fahamarinana, lasa tsiaro ilay fihavanana nohindraindraina fahiny...
Fanavaozana inona moa no hametrahana fanantenana raha toa ka ny fototra hijoroan’ny Firenena mihintsy no mbola marefo tanteraka ?
Na izany aza, tsy mahadiso ny mifampiarahaba hoe "tratry ny Asaramanitra daholo isika Malagasy tsy ankanavaka, arahabaina tonga indray amin’ny tsingerim-potoana hanandratana ny fahaleovantena sy ny Tanindrazana".
Masina ny Tanindrazana Malagasy, antsika io, tsy atakalo sy tsy otaimpady, tsy atao antoka !
Mankalaza e !