Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 2 juillet 2026
Antananarivo | 14h36
 

Répondre à un commentaire

2 juillet à 12:32 | Vohitra (#7654)

Dingana iray tamin’ny sosonkevitra narosonay teto tamin’ny 28 jona 2026 aloha no indro fa tontosa.

Isany tena zava-dehibe ny famoahana ny didimpitsarana amin’ny teny Malagasy, ary mbola takiana ihany koa ny famoahana ny lalàna velona rehetra amin’ny teny Malagasy.

Aleo ho mazava ny tanjona :

* ilaina ny fifehezana ny teny vahiny ho fitaovana fandratoana sy fanovozana fahalalana sy haitao ary hifehezana ny hairaha, ary hahafahana maneho hevitra sy mamosaka ny lahankevitra eo amin’ny sehatra iraisampirenena.

* ny fanomezana Hasina ny tenimpirenena eto antoerana kosa dia ho fanandratana ny fiandrianampirenena sy hampirindra ny fifanakalozana sy fifandraisana ara-piarahamonina eo amin’ny mponina rehetra tsy ankanavaka, na Malagasy io na vahiny monina.

* ho fampivelarana ny kolontsaina sy riba, ary hanomezana vahana ny fomba sy toe-panahy mampiavaka ny Malagasy, ary ho fanandratana ny tena hasimpirenena mikolo ny soa notoavina sy ho fampanjariana ny tandro hasina mampijoro ny firaisampirenena Malagasy.

Mankasitraka ny solombavambahoaka Navalona nitondra ny tolo-dalana ary niaro izany hatramin’ny nivadihany ho lalàna velona manankery ankehitriny eo ampiandrasana indray izay afitsoky ny HCC mikasika ny fanajana ny lalampanorenana eo amin’ny famoahana ho manankery hampiharina eto amin’ny fitsarana.

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}