Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
Manohy ihany ny fanazavana mikasika ny sosonkevitra aroso amin’ny fikaonan-dohampirenena ho avy raha sitrapon’i Zanahary...
Ny Antenimierampirenena dia misy solombavambahoaka karazana anankiroa :
* ny voalohany dia mpanao lalàna
* ny faharoa dia mpanaramaso ny fampiasana ny volam-bahoaka sy ny asan’ny goverinemanta ary mpanaramaso ny Banky Foibe.
Tsy mifampitsabaka amin’ny asa sy andraikitra izy ireo, ary ny firariana dia mba olona manana fahalalana sy vonona hiantsoroka andraikitra tanteraka fa tsy irony manangana tanana sy mpanao famoriam-bahoaka ankalamanjana irony.
Ny Filankevitry ny Faritra no mpifidy ny solombavambahoaka, ary azon’ny Filankevitry ny Faritra soloina amin’ny fotoana rehetra rehefa tsy mahafapo sy tsy miaro ny tombontsoa ho an’ny Faritra.
Efa natsidika ihany moa fa foanana tanteraka ny Distrika sy ny Faritany, izay rafitra napetraka fony fanjanahantany fahiny, ary nataon’ny mpanjanaka ho rafitra fifehezana ny lafintany sy fampanjariana fanjanahana sy fahefam-pitondrana fotsiny.
Fokonolona, Kaominina ary Faritra, ireo no vondrombahoaka fitsinjarampahefana hanaovana fifidianana mivantana.