Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
Tonga eny andalambe indray ny raharaham-bahoaka ankehitriny, ary misy ny aina nafoy sy olona voasambotra...
Eny andalambe mety hitondra ho eny ankianja indray raha tsy misy vahaolana matotra...
Miasa ny hery avy amin’ny fahefam-pitondrana, ary mioty alahelo sy ratra indray ny andian’olona sasany...mbola andian’olona no resaka ankehitriny fa tsy mbola hevi-bahoaka miray.
Raha vao lalambe sy kianja no resaka, dia na tiana na tsy tiana, dia tsy maintsy mizotra ho any amin’ny resaka politika hivoizana fifandajan-kery ho fanoherana ka ho tonga any amin’ny lonilony sy disadisa.
Aoka tsy hadinoana mihintsy, efa naverimberina teto matetika izany, fa tena soatoavina manandanja sy "aina sy ny fahavelomana". Teo amin’ny tantara sy ny lasa ara-piarahamonina sy politika teto amin’ny Firenena dia ny fahefam-pitondrana izay tsy mitsinjo io soatoavina io, dia tsy maintsy ho ratsy fiafara avokoa.
Ny fahefam-pitondrana fanovozana nentin’ny miaramila dia toa misary zoro sahady amin’ny kajikajy politika ary hita misabaka manana tanjona...
Raha mikasa handoa vola USD 11 millions amin’ny orinasa "Polo Garments" potika noho ny hetsika politika tamin’ny 2009 ny fitondrana fanovozana, aza adino fa betsaka koa no rava fananana teto tamin’ny 26 janoary 2009 noho ny hetsika politika "alatsinainy mainty"...
Inona no tiana holazaina ?
Tsy tongatonga ho azy ny hetsika andalambe, ny fitondrana fanovozana rahateo koa niroso tamin’ny dinika politika.
Tsilo sahady miraikitra amin’ny tongotry ny fahefam-pitondrana fanovozana io ra latsaka io...
Dieny mbola tsy mihitatra ny hetsika, raiso ny andraikitra tandrify...
Mirosoa amin’ny dinika ampilaminana, ekeo izay mety ho hadisoana nitranga, jereo izay marimaritra iraisana amin’ny fifindrana ho eny Amoron’ankona..