Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 10 octobre 2026
Antananarivo | 01h16
 

Répondre à un commentaire

9 octobre à 10:36 | Vohitra (#7654)

Firenena iray izay ny 81 % amin’ny mponina no mipetraka sy monina eny amin’ny tontolo Ambanivohitra... Ary 70 % mahery amin’ny vahoaka no mivelona amin’ny fambolena sy ny fiompiana...

Nefa dia...

Lany vola vahiny amin’ny fanafarana sakafo avy any ampita no sady tsy mahavelontena ny marobe amin’ny mponina ao aminy.

Hianjadian’ny hanoanana sy mosary isantaona.

Marefo sy marofy ary saozanina ny zaza marobe, lasa votsa sy voan’ny rarintsaina vokatry ny sakafo tsy zarizary sy tsy tomombana.

Mba milamina ve ny sainao io izao, ianao izay nandany volabe tamin’ny "festival tsapiky" nefa ny mponina izao noana tandindomin-doza toy izao ?

Mba milamina ve ny sainao nitety Firenena 15 tany ampita nandany volampanjakana sy volam-bahoaka tao anatin’ny herintaona nefa ny vahoaka eo ambavahaona amin’ny fahafatesana ankehitriny ?

Mba milamina ve ny sainao milaza ho solombavambahoaka mandray volam-bahoaka tsy toko tsy forohana amin’ny karama sy tambinkarama io nefa ny vahoaka tompom-bola izao ianjadian’ ny mosary izao ?

Tsarovy anie fa ianao solombavambahoaka io dia isambolana dia mandray 140 tapitrisa FMG atao lasantsy sy gasoil fotsiny ankoatry ny karama sy tambinkarama hafa !

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}