Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 25 juillet 2026
Antananarivo | 22h51
 

Répondre à un commentaire

24 juillet à 09:03 | Vohitra (#7654)

Mbola miezaka ihany mitondra ny fandraisana anjara ho fampahafantarana ny sosonkevitra hovoizina mandritry ny fikaonan-dohampirenena raha sitrapon’i Zanahary, araky ny foto-kevidehibe efa nambara ny 28 jona 2026 teto amin’ny Madagascar Tribune...

Ny fizakantena isamparitra ao anatin’ny Repobilika Federaly moa no rafitra fototra niompanana ary ho tohanana.

Ny fizakantena isamparitra ihany no làlana tokana sisa mbola hahafahana miaro ny vakoka sy riba ary hanandratana ny harena ara-tsaina misy isaky ny Faritra.

Ilay fanjakana Foibe tokana nositrahana tao anatin’ny 66 taona nahazoana ny fahaleovantena izay dia tsy nitondra afatsy faharavana sy fahapotehana teo amin’ny tahirim-bakoka nisy raha tsy hiresaka afatsy izay mitranga eto Ankibon’Imerina ny tenako.

Tranga iray manambara izany ohatra no hotsiahivana fohy :

Efa nanambara tamin’ny didy ara-pitsarana navoakany ny « Conseil d’Etat » ny amin’ny fanesorana hiala tsy hijoroan’ny Colisée ao anatin’ny Rovan’Antananarivo intsony.

Efatra volana lasa izay no nivoaka izany didim-pitsarana izany, tsy misy ny fanatanterahana izany didy izany, misy minisitera misahana ny kolontsaina nefa tsy manaja sy tsy manatanteraka ny didimpitsarana tandrify ny andraikiny.

Raha efa mijoro ny Faritra mizaka tena, ny Faritra Analamanga ihany dia avy hatrany efa afaka mandray antanana ny fanatanterahana ny didy ary misahana tanteraka ny fiarovana ny kolontsaina sy ny harentsaina misy eo aminy.

Harena ny kolontsaina, harena azo trandrahana tsara hoentina hampiroborobo ny toekarena isamparitra.

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.