Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
Tsiaro ny lasa tsy fanadino...
Mampatsiahy ny raharaha "bonbons sucettes" teo anivon’io minisitera iray io ihany izao tranga izao...
Tamin’izay fotoana izay tokoa no tsaroana ny fanerena tery vay manta ny mpianatra hisotro ilay CVO mangidy sy mangeroka, ranondolana fitaka nolazaina fa vokatry ny hakingan-tsaina teo amin’i Rainilaingarivony, ka nanolorany ho an’izao tontolo izao ity CVO ho fanafody...
Dia novidiana ny "bonbons sucettes" mitentina 8 milliards Ariary mba hitondrana mamy ho an’ny mpianatra aorian’ny fisotroana ny CVO...
Dia mba miangavy ny tendrompitsarana miady amin’ny kolikoly ihany koa mba hijery ity raharaha "bonbons sucettes" ity...
Miseho miandalana ankehitriny ny kolikoly sy halatra fony fitondrana foza noentin’i Rainilaingarivony. Asan-jiolahy anaty tambazotra tanteraka ho fandrobana sy fanaovana jirika ny volam-bahoaka.
Ny tranga toy izao no isany araky ny fanazavana noentiko mitondra ahy amin’ny fanolorana ny Rafitra federaly mifototra amin’ny Faritra Mizakatena.
Nahoana tokoa moa no resaka dabilio ho an’ny mpianatra isamparitra ve dia ny minisitera Foibe no tsy maintsy hiandraikitra ny fividianana sy fanamboarana azy sy ny famoaham-bola mikasika izany ?
Ilay rafitra État unitaire centralisé mihintsy no lasa mpamokatra tsy maty manota !
Manjavona ny volam-bahoaka, mampanjaka kolikoly, mampahory vahoaka, mampirongatra ny fanaovana jirika sy fanaovana ho remby ny volam-bahoaka.
Mankahery ny PAC ary mirary fahombiazana ho anareo, miangavy mba raiso antanana ihany koa ny raharaha "bonbons sucettes"...