Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 15 septembre 2026
Antananarivo | 11h55
 

Répondre à un commentaire

15 septembre à 10:39 | Vohitra (#7654)

Antso ho anareo ao amin’ny FFKM,

Anio 15 septembre 2026 dia betsaka mba tsy hilazana hoe ny ankamaroany betsaka amin’ny fokontany izay misy ny Fokonolona no tsy mahafantatra akory sy tsy maheno ny fisian’izany dinika fikaonandoha eny anivon’ny fokontany izany akory, na ireo tomponandraikitra eo anivon’ny fokontany aza dia tsy mahafantatra akory izany dinika izany.

Ny Fokonolona manerana ny Nosy manontolo no tena tompon-draharaha ary kitro ifaharan’ny fivoarana amin’ny olona sy ny maha olona ka aoka mba tsy hisy ny tombo sy hala, aza asiana sivana ny fandraisana anjara ka atao anjorombala ny vahoaka Malagasy eny ifoton’ny fiarahamonina dia ny Fokonolona izany.

Raha feno izay fepetra izay, dia mipetraka indray ny fanontaniana :

"Ahoana ny fisoloantena amin’ny fandraisana anjara eny anivon’ny Commune ?"

Ny Commune dia ny fitambaran’ireo fokontany mandrafitra azy ary eo ambany fihahiany mivantana, noho izany, rariny sy hitsiny loatra raha ny fokontany misy ny Fokonolona no misafidy sy manolotra izay solontena ho any amin’ny dinika eny anivon’ny Commune.

Aleo ho mazava ny resaka dieny ety ampiandohana : ny fanorenana ifotony na refondation dia miantefa mivantana amin’ny fiarahamonina Malagasy ary natao hitondra fandaminana ara-drafitra sy fitantanana mba hitondra fivoarana eny anivon’ny fiarahamonina.

Ary ny tsoakevitra sy sosokevitra miainga sy avondrona isan’ambaratonga no dinihina sy hatsaraina ary halalinina sy vahana antsipiriany isan-tsehatra irosoana eo ambony.

Farany, ho fampatsiahivana , dia lazaina eto fa tsy mbola misy izany dinika fikaonandoha izany isaky ny fokontany anio 15 septembre 2026.

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}